Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-12

1 Mety ve ny mirehareha e? Tsy mahasoa izany, nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry sy ny fanambarana avy amin'ny Tompo.

2 Misy olona anankiray fantatro ao amin'ny Kristy, efa efatra ambin'ny folo taona lasa izay, nakarina hatrany amin'ny lanitra fahatelo; tsy fantatro na tao amin'ny vatana na tsy tao amin'ny vatana izany: Andriamanitra no mahalala. 3 Ary fantatro fa io olona io, na tao amin'ny vatana izany, na tsy tao amin'ny vatana, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, 4 dia nakarina tany am-Paradizy, ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon'ny olombelona ambara; 5 ny amin'io olona io no hireharehako; fa ny amin'ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany. 6 Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik'adala, fa ny marina ihany no holazaiko; nefa hahatam-bava aho, fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko, na reny avy amiko. 7 Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben'ireo fanambarana aho, dia nasiana tsilo tao amin'ny nofoko, dia anjelin'i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.

8 Ny amin'io dia intelo aho no nangataka tamin'ny Tompo, mba hanalany an'io amiko, 9 fa izao no navaliny ahy: Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin'ny fahalemena indrindra no iamparan'ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'ny Kristy amiko. 10 Izany no ifaliako amin'ny fahalemeko, amin'ny fahafaham-baraka, amin'ny fahantrana, noho ny amin'ny Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.073